<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><title>Ry Jesosy, Izay Mpiahy FFPM591</title>
<lyrics>[V1]
 Ry Jesosy, Izay Mpiahy,
 Mba henoy izao ;
 Raha misy mamely ahy,
 Mba reseonao !
 Ry Jesosy, mba henoy izao :
 Raha misy mahory ahy,
 Mba tsarovinao

[V2]
 Raha avy ny devoloy
 Ka mandrahona,
 Raha ny nofo manangoly
 Sy manintona.
 Ry Jesosy, ..sns.

[V3]
 Be ny fahavalo fetsy
 Mampahory izao,
 Izay dia mora resy,
 Ka vonjeonao !
 Ry Jesosy, ..sns.

[V4]
 Raha misalasala aho,
 Mba toroy ny to !
 Ary raha mitalaho,
 Amindraonao fo !
 Ry Jesosy, ..sns.

[V5]
 Miangavy mafy aho,
 Ry Mpamonjy ô !
 Mba vonoy ny fahotako
 Amin'ny ranao.
 Ry Jesosy, ..sns.

[V6]
 Raha tapitra ny andro
 Ivelomako,
 Hazavao, ry Masoandro,
 Ao am-pasako,
 Ry Jesosy, ..sns.</lyrics>
<hymn_number>591</hymn_number>
<author>W.H. Doane</author>
</song>